Tuesday, December 15, 2009

fetching water in Antananarivo

matsaka

Toy izao rehefa matsaka amin`ireny mpompy mpamjakana ireny eto Antananarivo. Milahatra ary tena lavabe tokoa. Milay mahafoy fotoana anefa raha te-ahazo rano rehefa mody. Tsy maintsy miandry akaiky satria misy misongona . Betsaka ny mimenomeno rehefa eny ampatsakana satria lany ora, lany fotoana ary tsy misy toerana mba maloka hiandrasana fa dia eo amban`ny masoandro be migaingaina. Ny tena mampalahelo dia ny mahita ankizy sy ramatoa bevohoka na mampinona voatery miandry elabe miaraka amin`ilay zazakely vao afaka ny fahazo rano hentina hanadiovana sy hikarakarana ny ao antrano. Ho anìreo olondehibe moa dia ny resaka no entina andaniana ny andro eo ampatsakana tahaka izao hitantsika amin`izao sary hitantsika izao. Ny ankizy kosa dia ny milalao miaraka amin`ny namanany no hataony mandrapahazoa ny anjara ranony.

Ny mpitsinjara rano kosa dia tahakìzao hita amin`ny sary izao no tsy maintsy ataony, miandry ary tena maka toerana tsara mihitsay ary manaramaso sy mitsinjara ny rano ary dia mandany fotoana tahaka ny mpanjaka ihany koa. Manomboka ny maraina vao angiran-dratsy ka hatramin`ny ariva ary kely ny fotoana ialana eo fa dia tsy maintsy manao izay azo atao mba hitsinjarana izany.

Raha ny eto antananarivo dia mbola tahakìzao amin`ny sary izao fatsakana ho an`olona maro ary mbola azao laizana fa tena vitsy ny olona manana pompy any atranony. Ho amina toerana iray ohatra, midadasuka ary be olona fa dia vitsy ny isan`ny pompy ary tsy afaka ny manome fahafahampo ho an`olona ao amin`ny faritra iray izany. Tahaka ny eny soavimasoandro izao ohatra io hita amin`io sary io dia vitsy ny pompy tahaka itony afajka ny mamatsy ny mponina, sady lavitry ny trano no mbola vitsy anisa.

Vokatrìzany dia voatery ny mifoha maraina be ny mpatsak ary dia mandany ora betsaka vao mahazo izay anjara ranoniny ary dia matetika dia tsy maintsy miverim-berina matetika satria tsy mahampy ny rano tonga ao antrano. Ho an`ny mpianatra izao ohatra dia tsy amintsy izay ny mifoha maraina (amin`ny 5 ora na 4 ora mihitsy aza matsaka avy eo vao mandeha mianatra. Raha tsy izany dia ny ariva avy mianatra no manao ny anjarany. matetika aza indraindray dia aterina eny amin`ny pompy ny sio dia ny ariva no alaina mba hialana ny amin`ny filaharana be mandany andro.

Posted via email from Koloina's posterous

No comments: